Na dia somary mafimafy ho an’ny AS Tsiky Boeny sy ny AS Saint-Michel Analamanga aza ny lalao natrehany, omaly, nandritra ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny rano- masimbe Indianina, taranja handball dia tafavoaka ho mpandresy ihany izy ireo, nony farany. Tamina elanelan’isa tery dia tery no nibatan’izy ireo ny fandresena fanindroany tamin’ireo lalao telo efa vita, tamin’ity fifaninanana ity.
Niondrika teo anatrehan’ ny AS Tsiky, lefitry ny tompon- dakan’i Madagasikara, tamin’ny isa 25 no ho 23, ny ekipan’ny PC Bouéni, avy any Mayotte, teo amin’ny sokajy zazavavy. Lavon’ny AS Saint-Michel tamin’ny isa 19 noho 18 kosa ny AS Vacoas Phoenix, avy any Maorisy, teo amin’ny andro fahatelo ho an’ny vondrona misy azy ireo. Fandresena tokana avy no ilain’ireo solontena malagasy ireo dia tratran’izy ireo ny dingan’ny manasa-dalana.
Ho an’ireo vokatra hafa indray dia niondrika teo anatrehan’ny AS Tsimkoura any Mayotte, tamin’ny isa 19 no ho 18, ny ekipan’ny ASC Saint-Gilles avy any La Réunion, izay nandavo ny ekipan’ny Masindahy Misely teo amin’ ny andro voalohany. Nitohy, ary tsy mbola nisy nahasakana, kosa ny dian’ny Jeunesse Sportive Benedictine (JSB) avy any La Réunion, izay nanilika ny AS Tsiky teo amin’ ny andro voalohany. Tamin’ ny isa mavesatra 32 no ho 9 no nandresen’izy ireo ny ekipan’ny MF Storm avy atsy Seychelles, omaly. Efa naman’ ny mangoron’entana kosa
ny Combani HBC avy atsy Mayotte, izay lavon’ny Tana Handball Club, tamin’ny alahady lasa teo. Mbola nibaby faharesena indray izy ireo, omaly, nanoloana ny Le Port avy atsy Maorisy. Ity farany sy ny THBC izany no hiatrika ny lalao famaranana kely eo amin’ny vondrona misy azy ireo, rahampitso.
Roméo Andriamihaja